Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 7 ho an'ny Febroary 2015. Ny torohevitr'i Solomona ho famahana ireo olana ara-pifandraisana: 1.Aoka hanarona fahadisoana(Ohabolana 17:9; 19:11)

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 7 ho an'ny Febroary 2015. Ny torohevitr'i Solomona ho famahana ireo olana ara-pifandraisana: 1.Aoka hanarona fahadisoana(Ohabolana 17:9; 19:11)"— Presentation transcript:

1 Lesona 7 ho an'ny Febroary 2015

2 Ny torohevitr'i Solomona ho famahana ireo olana ara-pifandraisana: 1.Aoka hanarona fahadisoana(Ohabolana 17:9; 19:11) 2.Aoka ho marina(Ohabolana 17:10; 19:25) 3.Aoka hiteny fahendrena(Ohabolana 18) 4.Aoka hihaino (Ohabolana 18:2, 17) 5.Aoka hilaza ny marina(Ohabolana 19)

3 “Izay mikatsaka ny fihavanana dia manarona heloka; fa izay mamohafoha heloka mampisaraka ny tena mpisakaiza.” (Ohabolana 17:9) “Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Inona no tokony ho antony manosika antsika hamela ireo fahadisoan'ny namantsika? Inona no maha-samihafa ny manarona fahadisoana sy ny manala tsiny fahotana? Ny hoe “manarona” dia midika hoe mamela, manafina sy manadino (Salamo 85:2). Tsy maintsy voavela ny fahotana, sady anarina. Tsy maintsy afenina izy ary tsy aparitaka (amin'ny fosafosa) na ialana tsiny. Tsy maintsy adinoina izy mba hitoetra ny fisakaizana. “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, ary ny rahalahy dia nateraka hamonjy amin'ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17)

4 “Ny anatra iray dia mandaitra kokoa amin'ny hendry noho ny kapoka injato amin'ny adala.” (Ohabolana 17:10) “Kapohy ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina; ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.” (Ohabolana 19:25) Tsy maintsy anarina ka omen-tsiny ny fahotana. Tsy maintsy mahatsapa tena ny amin'ny fahadisoany ilay olona nanota mba ahafahany manitsy ny fitondran- tenany. Namela heloka ny mpanota i Jesosy, ary avy eo nampitandrina azy ireny: “Aza manota intsony.” (Jaona 5:14; 8:11). Tsy tokony ho jamba na tsy misy fepetra ny fitiavana rehefa manarona fahadisoana.

5 E.G.W. (The Acts of the Apostles, toko.51, pj. 516)

6

7 “Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, fa ta-haneho izay ao am-pony.” (Ohabolana 18:2 NVI) ““Tsy ilaina ny miady hevitra amin'izany. Marina aho!” Mety hanana fahatokian-tena loatra ny amin'ny fahendrentsika isika ka mieritreritra fa tsy mila mihaino ny hafa. “Izay mandahatra aloha no toa marina; fa nony avy kosa ny andaniny dia mitaky porofo aminy.” (Ohabolana 18:17) Raha mihaino ny andaniny isika, dia mety hahita fa hay tena diso tokoa. Ireo izay tarihin'ny fahendrena avy any ambony dia hihaino ny andaniny roa mialohan'ny hitsarany zavatra iray. Andriamanitra irery ihany no hany tsy mila hevitra hafa.

8 “Tsara ny mahantra mandeha tsy misy tsiny noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.” (Ohabolana 19:1) Mety hitondra tombontsoa vetivety ny lainga (fisondrota-karama, namana, fialana amin'ny sazy…). Kanefa, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hotratra ny mpandainga. Amin'izay fotoana izay dia ho henjana ny vokany. Ary dia ho hitantsika fa hay ireo tombotsoa ireo dia tsy sahazan'izany akory. Hiharatsy hatrany hatrany izany. Ny zavatra rehetra azontsika amin'ny lainga dia hihalo sady hampangidy ny fifandraisantsika. Izany no vokatry ny fahotantsika. “Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, ary tsy ho afa-maina izay mamoaka lainga.” (Ohabolana 19:5)

9 "Aoka tsy hiraviravy tanana na hamikitra amin'ny fisalasalana rehefa milaza ny marina. Aoka hanjary fiainana izany. Ny manao fitan-droa amin'ny fahamarinana sy ny manafina izany mba hifanaraka amin'ny drafitra ataon'ny tena feno fitiavan-tena dia midika ho faharendrehan'ny finoana toy ny vaky sambo. "Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan- tratra." Efes. 6:14. Izay miteny zavatra tsy marina dia manao varo-babo ny fanahiny. Mety ho toa mahasoa eo amin'ny toe-javatra mahamaika ny laingany, amin'izay dia toa manafaingana ny asa izy, izay zavatra tsy ho vita raha manara-dalàna; nefa amin'ny farany dia ho tonga eo amin'ny toerana izay tsy ahazoany matoky na iza na iza izy." E.G.W. (The Acts of the Apostles, toko 7, pj. 75)


Download ppt "Lesona 7 ho an'ny Febroary 2015. Ny torohevitr'i Solomona ho famahana ireo olana ara-pifandraisana: 1.Aoka hanarona fahadisoana(Ohabolana 17:9; 19:11)"

Similar presentations


Ads by Google