Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

NY TANTARAN'I JONA Lesona 4 ho an'ny 25 Jolay, 2015.

Similar presentations


Presentation on theme: "NY TANTARAN'I JONA Lesona 4 ho an'ny 25 Jolay, 2015."— Presentation transcript:

1 NY TANTARAN'I JONA Lesona 4 ho an'ny 25 Jolay, 2015

2 “Izy [Jeroboama II] no nampody ny sisin- tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata- hefera.” (2 Mpanjaka 14:25) Zanak'i Amitahy no anolorana an'i Jona (Jona 1:1), mpaminany Galileana teraka tany amin'ny tanana kely akaikin'i Nazareta. Mpaminany nahita fahombiazana izy. Ny faminaniany momba an'i Israely dia tanteraka (Jeremia 28:9). Nananan'i Jona avokoa na ny hery lehibe na ny fahalemena goavana. Mafy hatoka sy mpikomy izy, kanefa tiany ny mianatra. Nahatoky tamin'Andriamanitra izy, nahery fo ary lehilahy mivavaka. Tery saina sy tia tena ihany koa anefa izy, sady tia mamaly faty. Fikasan'Andriamanitra ny miasa amin'ny alalantsika na dia eo aza ireo fahadisoantsika.

3 “Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.” (Jona 1:16) Nambaran'Andriamanitra ny Israely fa ireo Jentilisa dia ho voatarika ho eo amin'izy ireo ary hiova fo noho ny ohatra asehon'i Israely (Deotoronomia 4:5-6; Isaia 56:7). Na izany aza dia nantsoina i Jona handeha ho an'ny amin'ny Jentilisa ary hitory ny hafatry ny famonjena any. Nirahina ho any antsinana mandeha an- tanety izy, kanefa nanapa-kevitra ny handeha miakandrefa an- dranomasina. Tsy nankato an'Andriamanitr a izy, nefa ny rivotra sy ny ranomasina nankato ny Mpamorina azy. Natory izy, nefa ny tantsambo dia nangataka azy mba hivavaka. Tsy te hiresaka momba an'Andriamanitra izy, nefa voatery nijoro vavolombelon'ny finoany sy ny iraka nanirahana azy. Ireo tantsambo ireo no mpanompo sampy voalohany niova fo na dia teo aza ny fitondran-tenan'i Jona. Lehibe manao ahaona re ny fitiavan'Andriamanitsika!

4 “Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an- kibon'ny hazandrano Jona.” (Jona 2:1, 2) Araka ireo asa soratra tamin'izany vanim-potoana izany, ny hoe “telo andro sy telo alina” dia tandindona fampiasa tamin'ny literatiora izay maneho ny fotoana hahatongavan'ny olona iray any amin'ny Sheola (Jona 2:3). Nampiasa ny tantaran'i Jona i Jesosy ho ohatra nanehoany ny tenany “ao anatin'ny tany” (Matio 12:40). Nitsangana amin'ny maty Izy tahaka an'i Jona naloan'ilay trondro lehibe.

5 “Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an- kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona.” (Jona 1:17-2:1) Naneho ny famindram-pony tamin'i Jona Andriamanitra. Io ihany no famindram-po izay nanetsika Azy hamela ny fahotan'ny mponina tao Ninive. Nanambana an'i Jona ny fahafatesana. Nahatoky ny famelan-keloka atolotr'Andriamanitra izy ary nino fa afaka mamonjy azy Andriamanitra. Niaiky heloka teo anatrehany izy (Jona 2:7-10).

6 “Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. […] Ary Jona niantomboka nandeha tao an- tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive!” (Jona 3:2-4)

7 “Ny mpitondra hafatry ny Tompo ao amin'ny tanàn- dehibe dia tsy tokony ho azon'ny fahakiviana noho ny fandozana, ny tsy fisian'ny rariny sy ny hitsiny, ny faharatsiam-panahy tojo azy eny am-piezahana hilaza amin'ny olona ny vaovao mahafaly momba ny famonjena. Andriamanitra no fampiononana ho azy ireo. Halefan'Andriamanitra ho azy ny hafatra nomeny ny Apostoly Paoly fony izy tao amin'ny tanàna feno faharatsian'i Korinto manao hoe: "Aza matahotra fa mitenena ihany, ka aza mangina; fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho". Asa 18:9… Fa na firy na firy no mety ho heloka sy ny faharatsiana vitan'ny tanàna tsirairay, dia mbola ho hita ao ihany koa ireo fanahy vonona ho tonga mpianatr'i Jesosy raha ampianarina ara-dalàna. Afaka hahatarika olona anarivony handray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany ny hafa-pamonjena.” E.G.W. (Mpaminany sy Mpanjaka, tk. 22, pj. 232)

8 “Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.’” (Jona 4:2) Tsy mampino! Jona irery ihany no olona voalaza ao amin'ny Baiboly ho nanome-tsiny an'Andriamanitra noho ny nanolorany fahasoavana, famindram-po, faharim-po ary feno fitiavana. Nitaraina izy satria namela heloka Andriamanitra fa tsy nandefa loza. Inona no tena olan'i Jona? Ny fitiavan-tena no olany. Tsy afaka ny hihevitra ny hafa ankoatran'ny tenany i Jona. Nanandanja bebe kokoa taminy ny lazany sy ny mahasoa azy noho ny famonjena olona mihoatra ny 120 000. Moa jamba toa an'i Jona ve isika? Mihevitra ny amin'ny iraka naniraha antsika ve isika— miasa ho amin'ny famonjena ny namantsika? Moa irintsika ny hanatanteraka am-pifaliana ny iraka nomena antsika?

9 “Takiana amin'ny rehetra ny hiasa mba hampihena ny faharatsiana ary hampitombo ireo fitahiana ho an'ny mpiara-belona aminy. Raha matanjaka isika manohitra ny fakam-panahy, dia manana adidy lehibe isika amin'ny fanampiana ireo izay malemy sy marefo. Manana fahalalana isika? Tokony hampianatra ireo tsy mahalala. Notahian'Andriamanitra isika tamin'ireo haren'izao tontolo izao? Adidintsika ny mitondra fanampiana ireo malahelo. Tsy maintsy miasa ho amin'izay mahasoa ny hafa isika. Aoka ireo rehetra izay ao anatin'ny faribolan'ny hery miasa mangina avy amintsika ho mpiombona amin'izay fahatsarana indrindra, na inona na inona ananantsika. Tsy tokony hisy na dia iray aza hihinana mofon'aina nefa tsy mizara izany amin'ny manodidina azy. " E.G.W. (Testimonies for the Church, boky. 5, tk. 74, pj. 606)


Download ppt "NY TANTARAN'I JONA Lesona 4 ho an'ny 25 Jolay, 2015."

Similar presentations


Ads by Google