Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 2 ho an'ny 11 Jolay, 2015. Ny antson'Andriamanitra dia nidika ho: Fialana amin'ny tanana nahabe sy ny fianakaviana manompo sampy (Josoa 24:2).

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 2 ho an'ny 11 Jolay, 2015. Ny antson'Andriamanitra dia nidika ho: Fialana amin'ny tanana nahabe sy ny fianakaviana manompo sampy (Josoa 24:2)."— Presentation transcript:

1 Lesona 2 ho an'ny 11 Jolay, 2015

2 Ny antson'Andriamanitra dia nidika ho: Fialana amin'ny tanana nahabe sy ny fianakaviana manompo sampy (Josoa 24:2). Fitahiana ho azy (Genesisy 12:2). Fitahiana ho an'ny taranak'olombelona (Genesisy 12:3). Isika koa dia antsoin'Andriamanitra ho misionera eto amin'izao tontolo izao ity. Izany dia midika hoe: Fandaozana ny zavatra rehetra izay mety hanakana antsika tsy hahatanteraka ny iraka nomena antsika. Fitahiana ho amin'ny fiainantsika. Fitahiana ho an'ny olona tsirairay izay manaiky ny hafatra avy amintsika (ny Filazantsara mandrakizay). Nonina tao Ora i Abrahama raha nanaiky ny antson'Andriamanitra. Nakany Harana izy niaraka tamin'i Tera rainy (Gen. 11:31) avy eo dia nanomboka ny diabeny ho an'ny Kanana (Gen. 12:5).

3 “Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.” (Genesisy 14:14) Nonina tao Sodoma i Lota (Genesisy 13:12) rehefa nifandao izy sy Abrahama. Babo an'ady tsy manan-tsiny tao izy (Genesisy 14:1-12). Ny fiainan'i Abrahama sy ny hafatra entiny dia fiadanana, kanefa tsy mba nijery fotsiny ny tsy rariny izy (Genesisy 14:13- 24). Nasehony fa ny mpino dia …  afaka manompo tokoa ny tanindrazany.  afaka ny ho olona mahery fo.  vahoaka marina.  miaro ny ampahoriana.  tsy mba manararaotra ny amin'ny asany.  mahatoky amin'Andriamanitra amin'ny toe-javatra rehetra.

4 “Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.” (Hebreo 11:8) Nasain'Andriamanitra ho an'i Kanana i Abrahama. Fitsiahy ara- jeografika tena mampisy fisalasalana ity (toy ny hoe, tsy mitovy ny filazana hoe “mandeha ho an'ny Madagasikara” sy ny “mandeha ho an'ny Antananarivo”). Nanana finoana izay nandraisany ny dingana voalohany izy; izany hoe, nandao ny fiainany teo aloha ary nanomboka fiainana vaovao. Fiainana vaovao izay miantehatra tanteraka amin'Andriamanitra. Nanana finoana nandehanana ho an'ny amin'ilay Tany nampanantenaina izy; nanomboka teo amin'ny alitara voalohany tao Sekema ka hatreo amin'ilay iray izay saika nanaovany fanatitra an'Isaka. Nanana finoana ny amin'ireo teny fikasan'Andriamanitra ho amin'ny fiainany izy: “Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.” ( Genesisy 15:6). Nanana finoana ny amin'ireo teny fikasan'Andriamanitra ho amin'ny ho aviny izy: “fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” (Hebreo 11:10).

5 Sekema (Genesisy 12:6-7). Fampanantenana ny fandovana an'i Kanana. Takatr'i Abrahama ny iraka nomena azy. Hebrona (Genesisy 13:18- 14:20). Natoky an'Andriamanitra izy raha nanavotra ny zana-drahalahiny. Nahatakatra ny herin'Andriamanitra izy. Mamre (Genesisy 18:1, 20-33). Nanelanelana tamin'Andriamanitra ho an'i Sodoma izy. Nahatakatra ny famindrampon'Andria manitra izy. Tendrom- bohitra Moria (Genesisy 22:1-14). Nankato an'Andriamanitra izy. Nahatakatra ny drafi- panavotan'Andriamani tra izy. “Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana.” (Hebreo 11:17) Nampiasain'Andriamanitra i Abrahama na dia nanao fahadisoana aza, satria naniry fatratra i Abrahama mba ho hampiasainy. Nampiasain'Andriamanitra ireo fivezivezena maro nataon'i Abrahama teo amin'Ilay Tany Nampanantenaina ho fitaovana nampianarina azy ireo lesona ara-panahy tena lehibe.

6 “Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.” (Genesisy 18:19) Ho feno fahombiazana kokoa ny asa misionera rehefa tohanan'ny fiainam-pianakaviana manaraka amim-pahatokiana ny drafitr'Andriamanitra. Ny finoana sy ny fankatoavan'i Abrahama dia nanana hery miasa mangina teo amin'ny ankohonany sy ireo mpanompony (Genesisy 24:12 ). “Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana … Finoana no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.” (Hebreo 11:11, 20)

7 “Ireo ray aman-dreny dia tokony hihevitra ny tenany amin'ny fomba fijery manokana ho toy ny fitaovana eo am-pelatanan'Andriamanitra, toa an'i Abrahama, hampianatra ny zanany handeha amin'ny lalan'ny Tompo. Kanefa tokony handinika fatratra ny Soratra Masina izy ireo mba ahafantarany ny lalan'ny Tompo ka hampianatra izany amin'ny ao an-tokantranony. Hoy i Mika: ‘Izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena’ [Mika 6:8.] Mba ho mpanabe dia tsy maintsy ho mpianatra aloha ny ray aman-dreny, mitady mandrakariva ny fahazavana avy amin'ny tenin'Andriamanitra sy amin'ny fitondrana io fahazavana sarobidy io eo amin'ny fitaizana ireo zanaka amin'ny alalan'ny foto-kevitra sy ny ohatra.” E.G.W. (The Adventist Home, fizarana 8, tk. 28, pj. 184)

8 “Ny fankatoavana tsy misy fanontaniana avy amin'i Abrahama no iray amin'ireo toe-javatra manaitra indrindra maneho finoana sy fiankinana amin'Andriamanitra hita ao amin'ny Rakitra Masina. Ny teny fikasana fotsiny, tsy misy na porofo iray hita mivaingana aza, izay milaza fa ny taranany no hahazo an'i Kanana; dia nanaraka tamin'izay nitondran'Andriamanitra azy izy, nanaiky tanteraka sy tamim-pahatsorana ireo fepetra avy aminy, sy ny fahatokiana fa ny Tompo dia hahatanteraka ny teniny. Nandeha teny amin'izay rehetra nanomezan'Andriamanitra adidy azy izy; nandalo efitra tsy tami-tahotra izy; namakivaky firenena mpanompo sampy izy; zavatra iray ihany ny tao an-tsainy: ‘Niteny Andriamanitra; mankato ny teniny aho; Izy no hitarika ahy, Izy no hiharo ahy.’ Izany finoana sy fahatokiana izay nananan'i Abrahama izany no ilain'ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra ankehitriny.” E.G.W. (Testimonies for the Church, bk. 4, no. 30, tk. 50, pj. 524)


Download ppt "Lesona 2 ho an'ny 11 Jolay, 2015. Ny antson'Andriamanitra dia nidika ho: Fialana amin'ny tanana nahabe sy ny fianakaviana manompo sampy (Josoa 24:2)."

Similar presentations


Ads by Google