Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 9 ho an’ny 27 Febroary, 2016. Ady maro amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy no nitranaga nandritra ny fotoana fahaterahan’ny Fiangonana.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 9 ho an’ny 27 Febroary, 2016. Ady maro amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy no nitranaga nandritra ny fotoana fahaterahan’ny Fiangonana."— Presentation transcript:

1 Lesona 9 ho an’ny 27 Febroary, 2016

2 Ady maro amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy no nitranaga nandritra ny fotoana fahaterahan’ny Fiangonana Kristiana. Ireo Kristiana voalohany dia nisetra olana anatiny sy fanoherana. Hevitra diso momba ny Fanjakana Resaka fifandraisana Fanoherana avy amin’ny mpitarika Fandresena ny fanoherana. Resin’ny fanoherana. Hevitra mibahana mialoha

3 “Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?” (Asa 1:6) Telo taona sy tapany ary efapolo andro taty aoriana, dia mbola niandry ny fanavaozana ara- politika an’Israely indray ny mpianatra. Nanana ny heviny manokana momba ny asan’ny Mesia izy, koa dia tsy takany ny hevitry ny tena toetoetran’ny Filazantsara (Salamo 22:27; Isaia 42:1-4). Raha tokony ho nanitsy azy ireo i Jesosy tamin’ny hevitra diso nananany, dia nanome asa hatao Izy: “ho vavolombeloko” (Asa 1:8). Tsy maintsy niandry ny Hery izy: ny batisan’ny Fanahy Masina. Tamin’izany no natakarany tsara ny iraka nanirahana azy ka nahavonona azy hanatanteraka izany.

4 “Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.” (Asa 2:6) Nohararaotin’i Petera izany toe-javatra izany nanambarany tamin-kery momba ny asan’i Jesosy. Voatsindrino tao am- pony ny mpihaino ka sahy nibebaka sy nandray ny Mpamonjy. Ny vokany dia… 3 000 no niova fo tao anatin’ny indray andro! Nandresy ny ady teo amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy Andriamanitra tao Babela (Genesisy 11:9). Nokorokorohany ny fitenin’ny herin’ilay ratsy. Tamin’ny Pentekosta, dia ny mifanohitra amin’izany no nataony. Ny olana teo amin’ny fifandraisana noho ny fahasamihafan’ny fitenana dia voavaha teo noho eo. Samy nandre ny hafatry ny Filazantsara tamin’ny fiteniny avy ny tsirairay.

5 “Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra.” (Asa 4:29)

6 “dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.” (Asa 7:58) Toa an’i Petera sy i Jaona, dia nanasa ireo mpitarika izay nitsara azy i Stefana mba hanaiky an’i Jesosy. Fa tsy nisy fandresena tamin’io fotoana io. Nofenoin’i Satana fankahalana ny fon’ireo mpitarika. Nahazo fandresena tamin’ny fiainana ara-batan’i Stefana izy ary nahatonga an’i Saoly ho mpiara-manenjika ny Fiangonana ihany koa (Asa 8:1). Kanefa, nampiasain’Andriamanitra io faharesena io mba handresena ady iray hafa. Nampiasainy ilay olona izay nofidian’i Satana hanao ratsy tamin’ny voalohany, ho tonga fitaovana hahatratra izao tontolo izao: Paoly/Saoly, ilay farany tamin’ny apostoly.

7 “Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan- draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.” (Asa 10:28)

8 “Sady nanome tsiny no nampianatra an’i Petera ity fahitana ity. Nanambara taminy ny fikasan’Andriamanitra izany, izay milaza fa ho tonga mpiara-mandova ireo fitahian’ny famonjena amin’ny Jiosy ny Jentilisa amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy. Tsy mbola nisy mpianatra nitory ny filazantsara tany amin’ny Jentilisa. Tao an-tsainy dia mbola nisy ilay rindrim-pisarahana efa nazeran’ny fahafatesan’i Kristy, ary noferany tamin’ny Jiosy ny asany satria noheveriny ho tsy mahazo anjara amin’ny fitahian’ny filazantsara ny Jentilisa. Izao kosa ny Tompo dia niezaka hampianatra an’i Petera ny fitaran’ny drafitra nataon’Andriamanitra hanerana an’izao tontolo izao.” E.G.W. (Vavolombelona Mahery, tk. 14, pj. 130)


Download ppt "Lesona 9 ho an’ny 27 Febroary, 2016. Ady maro amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy no nitranaga nandritra ny fotoana fahaterahan’ny Fiangonana."

Similar presentations


Ads by Google