Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

 Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana.

Similar presentations


Presentation on theme: " Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana."— Presentation transcript:

1

2  Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana azy? Asa misionera. Inona no vokatrin'ny fiantsoana azy? Fahasahiranana. Ahoana no niatrehany ny asa misionera nataony?  Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana azy? Asa misionera. Inona no vokatrin'ny fiantsoana azy? Fahasahiranana. Ahoana no niatrehany ny asa misionera nataony? Amin'ity herinandro ity isika dia handinika lafy maro eo amin'ny fiainan'i Paoly:

3 “Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.” (Asa 22:3) Teraka tany Tarsosy, Kilkia izy. Olom-pirenena Romana. (Asa 22:3, 28). Anisan'ny fokon'ny Benjamina(Fil. 3:5). Fariseo tahaka ny rainy (Asa 23:6). Nihalehibe tao Jerosalema izy. Mpianatr'i Gamaliela(Asa 22:3). Mambran'ny Sinedriona izy, noho izany dia nanambady. Kanefa, tsy izany intsony izy rehefa nanoratra ireo taratasiny(VM; 1Kor. 7:8). Nanana anabavy sy zanak'anabavy izay nipetraka tao Jerosalema izy fara-fahakeliny (Asa 23:16). Mpanao lay no asany (Asa 18:3).

4 “Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho. Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy …” (1 Korintiana 15:9-10) Lehilahy feno faharesen-dahatra sy zotom-po i Paoly. Talohan'ny fiovam-pony: Nanohana ny fitoraham-bato an'i Stefana izy (Asa 7:58). Nanenjika ny Fiangonana izy (Asa 8:3). Nandrahona ho faty ireo mpianatra izy (Asa 9:1). Namolavola fanafihana ireo Kristiana tany Damaskosy izy (Asa 9:2). Taorian'ny fiovam-pony dia naneho izy fa:  Marina (Fil. 3:6).  Mpiasa mazoto (2Tes. 3:7-8).  Mibebaka (1Tim. 1:16).  Tapa-kevitra (2Kor. 11:23-33).  Manetry tena (1Kor.15:9).

5 “Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak'i Abrahama va izy? Izaho koa. Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan- tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi- fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho? Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.” (2 Korintiana 11:22-31) Tsy maintsy niaro tena tamin'ireo Jodaista izay niezaka ny hanoso-potaka azy teo anatrehan'ny fiangonana tao Korinto i Paoly. Toy izao no nilazany ny momban'ny tenany:

6

7 “Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa- tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana.” (1 Korintiana 2:2) Misy lafiny telo lehibe ny asa misionera nataon'i Paoly: Fitoriana an'i Jesosy Kristy. Nanandratra mandrakariva ny hazo fijalian'i Kristy ho ambonin'ny zavatra rehetra i Paoly (1Kor. 2:2). Fananganana fiangonana. Isaky ny tanana notsidihany dia nanangana fiangonana izy (Titosy 1:5). Famahanana ny Fiangonana. Nanome sakafo ny Fiangonana izy ary nanitsy ireo fahadisoana tamin'ny alalan'ireo taratasiny (1 Kor. 14:37).

8 “Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna; tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna.” (1 Korintiana 9:20-21) Mazava loatra fa fanakambanana kolontsaina samihafa ny asa misionera nataon'i Paoly. Tsy maintsy nitory ny Filazantsara tamin'ny Jiosy sy ny Jentilisa izy. Noho izany, dia nampifanaraka ny tenany tamin'ny kolontsaina nanodidina azy izy tamin'ny fizarana ny Fahamarinana. Tsy maintsy nandresy lahatra ny Jiosy izy mba hanaiky ny Jentilisa ho anisan'ny Fiangonana amin'ny tsy fanerena azy ireo fombafomba amam-panao. Nananatra mafy an'i Petera aza izy ny amin'ny fitandroana ny firaisan'ny Fiangonana mba tsy ho rava noho ny antony ara- kolotsaina. (Galatiana 2:11-16). Fariseo i Paoly; fantany ny Soratra Masina sy ny fomban- drazana. Afaka nanavaka ny tena zava-dehibe izy amin'ny pitsiny; ny fahamarinana mandrakizay amin'ny kasinga ara-kolotsaina sy ara-pivavahana.

9 “Tamin'ny fahatapahan-kevitra hentitra dia nandao ny harena, ny sakaiza sy ny fireharehana ara-tsosialy, ny fanomezam-boninahitra imasom-bahoaka, ary ireo havany izay tena tiany tokoa izy [Paoly]. Nisafidy ny hampifandray ny anarany sy ny ho aviny tamin'ny olona izay nojereny ho ambany sy faikany indrindra izy; ka noho ny amin'i Kristy dia niharitra nahafoy ny zavatra rehetra izy. Maro be lavitra noho ny an'ny mpianatra rehetra ny asany, ny kapoka nahazo azy tsy hay lazaina. Nokapohina tamin'ny hazo izy, notoraham-bato, vaky sambo, saiky maty matetika. Nahita loza izy na an-tanety na an-dranomasina, na tany an-tanana na tany an'efitra, tamin'ny jiolahy na tamin'ny tompon-tany namany. Nanohy ny asany mandrakariva izy tao anatin'ny fahalemena maro, fijaliana, havizanana, fiambenana matetika, hatsiaka, fitanjahana … Ohatra velona ny amin'izay tokony ataon'ny tena Kristiana marina i Paoly. Nivelona ho voninahitr'Andriamanitra izy …Fa Kristy no anton'ny ahavelomako. Fil 1:21” E.G.W. (Our High Calling, 23 Desambra)


Download ppt " Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana."

Similar presentations


Ads by Google