Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny."— Presentation transcript:

1 Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015

2 Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny fireharehana sy amin'ny alalàn'ny fibanjinana an'Andriamanitra sy ireo asany. 1.MANDOSITRA NY FIREHAREHANA  Fahadalana sy fireherehana (and. 32)  Ireo asan'ny mpirehareha (and. 11-20) 2.MIKATSAKA NY FANETRE-TENA  Mibanjina an'Andriamanitra (and. 3-6)  Mangataka izay ilaina (and. 7-9)  Mianatra avy amin'ny zavaboary (and. 18-19, 24-28)

3 “Raha adala ka nanandra-tena ianao, na efa nisaina hanao ratsy, dia tampeno ny tananao ny vavanao.” (Ohabolana 30:32)

4 Misy zavatra telo tena ratsy loatra vokatry ny fireharehana hita ao amin'ny Ohabolana 30:11-20. Ny vokatra mafaitra indrindra amin'ny fireharehana dia voambara tsirairay ao amin'io andininy io. Manozona ny ray aman-dreniny “Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny … Ny maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin'ny zana-boromahery.” (Ohabolana 30:11, 17). Fanalana tsiny ny fahotana “Misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany… Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, ka dia manao hoe : Tsy nanao ratsy aho.’” (Ohabolana 30:12, 20). Manamavo ny hafa “Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony sy ny fisondrotry ny hodi-masony! Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, ary toy ny antsy ny vazany, hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.” (Ohabolana 30:13-14).

5 “Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao?” (Ohabolana 30:4) Rehefa mahita ny asan'Andriamanitra isika - avy amin'izao tontolo rehetra izao lehibe mankamy ny tontolon'ny zavatra madinika, dia manjavona avokoa ireo antony tsirairay hireharehana. Rehefa mandinika ny fahalehibiazan'Andriamanitra tahaka ny nataon'i Joba isika (Joba 38-39), dia tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miteny toa an'i Davida hoe: “Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:4). Noho izany, dia tokony hianatra ny fahamarinana ambaran'Andriamanitra (ny Baiboly) am-panetre-tena isika. Ny fahalalantsika dia voasarona zavona sy zava- miafina, satria ankehitriny dia tsy afaka mahatakatra na dia ny zavatra faran'izay tsotra indrindra eo amin'ny zavaboary aza isika. Ahoana no hametrahantsika fisalasalana ny amin'ny Tenin'Andriamanitra? Tsy afaka ny hametraka fisalasalana amin'ny Baiboly isika na dia manahirana antsika aza ny andininy sasany. Rehefa mandinika ny fahalehibiazan'Andriamanitra tahaka ny nataon'i Joba isika (Joba 38-39), dia tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miteny toa an'i Davida hoe: “Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:4). Noho izany, dia tokony hianatra ny fahamarinana ambaran'Andriamanitra (ny Baiboly) am-panetre-tena isika. Ny fahalalantsika dia voasarona zavona sy zava- miafina, satria ankehitriny dia tsy afaka mahatakatra na dia ny zavatra faran'izay tsotra indrindra eo amin'ny zavaboary aza isika. Ahoana no hametrahantsika fisalasalana ny amin'ny Tenin'Andriamanitra? Tsy afaka ny hametraka fisalasalana amin'ny Baiboly isika na dia manahirana antsika aza ny andininy sasany.

6 “Zavatra roa loha no angatahiko aminao; ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho” (Ohabolana 30:7) Inona ireo zavatra roa nangatahin'i Agora tamin'Andriamanitra (and. 8)? 1.“Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga.” 2.“Aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy.” Voalohany, dia nangataka tamin'Andriamanitra izy hanalavitra azy ny zava-poana sy ny lainga. Faharoa, nangataka izy mba hanomezana azy izay hanina sahaza azy ihany. Eo amin'ny andininy faha-9, nohazavain'i Agora hoe nahoana izy no nangataka ireo zavatra ireo: Raha manana loatra aho, dia mety hanadino fa miankina amin'Andriamanitra aho. Raha mahantra aho, dia mety halaim-panahy hanota amin'Andriamanitra satria hangalatra aho. Nampianatra antsika i Jesosy mba hangataka ny hanintsika amin'Andriamanitra: “Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay.” (Lioka 11:3)

7 Ny lalan'ny voromahery eny amin'ny habakabaka Ny lalan'ny bibilava eny amin'ny vatolampy Ny lalan'ny sambo eny amin'ny ranomasina Ny lalan'ny lehilahy mankany amin'ny tovovavy Inona ireo zavatra izay tsy takatr'i Agora (Ohabolana 30:19)? Inona no azontsika ianarana avy amin'izany? Ny fianarana ny zavaboary dia mahatonga antsika hahafantatra ny tsy fahampian'ny fahalalalana ananantsika. Tena fomba tsara hanorenana fanetre- tena izany.

8 Ny fianarana ny zavaboary dia mahatonga antsika hahafantatra ny tsy fahampian'ny fahalalalana ananantsika. Tena fomba tsara hanorenana fanetre- tena izany Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy. Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy. Ny valala tsy manana mpanjaka, nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara. Ny antsiantsy izay azonao samborina amin'ny tanana, nefa tonga ao an-dapan'ny mpanjaka. Inona no azontsika ianarana amin'ny biby madinika (Ohabolana 30:25-28 )?

9 “Eo amin'ireo sehatra samihafa eo amin'ny zavaboary dia misy lesona avy amin'ny fahendrena avy any ambony ho an'ireo rehetra izay nianatra ny hanana fifandraisana amin'Andriamanitra. Ireo pejy izay nisokatra nazava tsara tsy nisy matromatroka tamin'ny fibanjinan'ireo olon-droa voalohany tao Edena dia mitondra aloka ankehitriny. Ahidratsy no nilatsaka tamin'ilay voary tena tsara. Kanefa, na aiza na aiza itodiantsika dia mbola ahitana soritr'ilay fitiavana voalohany. Na aiza na aiza no itodiantsika dia mbola mandre ny feon'Andriamanitra sy mibanjina ny asan'ny tanany isika.” E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students, fizarana 2, toko. 6, pj. 52)


Download ppt "Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny."

Similar presentations


Ads by Google