Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny.

Similar presentations


Presentation on theme: "Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny."— Presentation transcript:

1

2 Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny fahafatesana mandrakizay. Tena ilaina ny Lalàn'Andriamanitra mba hahafantarana tsara ny fiafaran'ny lalana tsirairay.

3 “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, ary afehezo eo am-bozonao.” (Ohabolana 6:20-21) “Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.” (Ohabolana 7:3) Tsy maintsy ao amintsika ny Lalàna. Tsy maintsy mifehy ny fihetseham-pontsika, ny eritrerintsika, ary ireo antony manosika antsika hanao zavatra izy. AFATORY amin'ny fonao IREO Tsy maintsy ho fananana sarobidy ho antsika ny Lalàna. Izany indrindra no tokony hanehoantsika fa tiantsika izy sady hajaintsika. AFEHEZO eo am- bozonao IREO Tsy maintsy mifehy ny asantsika ny Lalàna. Ny asa tsirairay avy dia tokony hifanaraka aminy. AFEHEZO eo amin'ny rantsan- tananao IZY Tsy maintsy voasoratra ao am-pontsika ny Lalàna (Jeremia 31:33), amin'izay dia ho tsarovantsika izy sy ho saintsaintsika isan'andro. SORATY ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka IZY

4 “Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; raha mandry ianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, ary lalan'aina ny anatra famaizana.” (Ohabolana 6:22-23) “Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.” (Ohabolana 7:2)

5 “Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vehivavy janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.” (Ohabolana 6:24-25) Manazava ny mahatonga ny olona iray halaim-panahy hitsiriritra olona iray i Solomona. Mety ho amin'ny fomba tsy mivantana sy tsy miharihary izany, ka tsy tsikaritra akory fa efa alaim-panahy isika. Miteny teny feno fandokafana ilay lehilahy na vehivavy mpaka fanahy. Mety hampiasa antony sy fanazavana ara-pivavahana izy hanamarinany ny fanairany. Ny Lalàna sy ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany no afaka hihazona izany fakam-panahy izany, tahaka ny ao amin'ny tantaran'i Josefa. “Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao ; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany KA HANOTA AMIN'ANDRIAMANITRA?” (Genesisy 39:9)

6 “Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.” (Ohabolana 6:30-31) Indraindray ny fahotana dia toa "rariny" na toa ota nohamarinina. Na izany aza, ny antony manosika antsika dia tsy hanamarina velively ny fandikana ny Lalàn'Andriamanitra. Ny fahotana iray dia mitarika ho amin'ny iray hafa. Raha manamarina halatra kely iray isika, dia mety hiafara amin'ny fanamarinana iray hafa lehibe kokoa, na lainga, na hijangajanga mihintsy aza. Izay no mahatonga an'i Solomona hanoratra indray momba ny fijangajangana (Ohabolana 6:32-35). Raha tokony hosaziana ny olona iray mangalatra noho ny hanoanany, dia hosaziana mihoatra noho izany koa ny olona iray mangalatra ny hajan'ny olona iray hafa. Nitarika faharavana ara-tsaina tsy azo amboarina intsony izy!

7 “Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadrana, ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.” (Ohabolana 7:22-23) “Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadrana, ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.” (Ohabolana 7:22-23) Mampitandrina antsika ny amin'ny ratsy i Solomona amin'ny fampiasana fanoharan-teny ny amin'ilay vehivavy janga. Ny fahotana dia "midina ho any amin'ny efi- tranon'ny fahafatesana" (and. 27); mitarika ho amin'ny fahafatesana mandrakizay ny fahotana. Kanefa dia impiry isika no mandia io lalana io tahaka ny omby na ny vorona tsy misy fitandremana. Afaka mizotra amin'ny iray amin'ireo lalana roa ireo isika: Ny lalana voalohany dia mitondra ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ny faharoa, ho amin'ny fahafatesana mandrakizay. Iza no safidinao?

8 “ Ireo zavatra ireo dia ilaina fandinihana sy fieritreretana lalina, ary fandraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny tari-dalana tsotra voaorina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izao no fotoanan'ny fakam-panahy ho anao. Izao no fotoanan'ny fitsarana ho anao. Hahajoro manoloana ny fahavalo ve ianao? Sa ve ianao hametraka ny tenanao eo amin'ny toerana izay ahazoany mampiasa ny heriny aminao? Fanontaniana mihatra aman'aina ho anao izany. Ny Tompoa anie hanampy anao hahita ireo fandrik'i Satana, ka hiala amin'izany ary hiatoraka amin'i Jesosy amin'ny fo sy fanahy sy saina ary hery ” E.G.W. (Letters to Young Lovers, fizarana 4, pj. 84)


Download ppt "Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny."

Similar presentations


Ads by Google