Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

IZA MOA I JESOSY KRISTY? Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015.

Similar presentations


Presentation on theme: "IZA MOA I JESOSY KRISTY? Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015."— Presentation transcript:

1 IZA MOA I JESOSY KRISTY? Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015

2 FISALASALANA MOMBA AN'I JESOSY (I)
“Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao! Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.” (Lioka 4:23) Jesosy dia zanak'i Josefa fotsiny ho an'ny olona tao Nazareta (Lio. 4:22) Nanolotra ny tenany ho Ilay Mesia ao amin'ny faminaniana i Jesosy (Lio. 4:18-21). Nanao ny tenany ho “mpaminany” Izy (Lio. 4:23) ary nananatra azy ireo Izy noho ny tsy ninoany (Lio. 4:24-27). Tsy te hino Azy izy ireo. Nikasa ny hamony ny Mpamonjiny mihintsy izy ireo tamin'io fotoana io (Lio. 4:29). Miankina aman'aina ny fanekena fa Jesosy dia mihoatra lavitra noho ny maha zanak'i Josefa Azy.

3 FISALASALANA MOMBA AN'I JESOSY (II)
“Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe : Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?’” (Lioka 7:18-19) Nanangana zazalahy tamin'ny maty Jesosy ka dia nantsoin'ny olona hoe mpaminany. Kanefa, i Jaona dia mbola tao am-ponja, ary Izy tsy mbola nanao inona na inona hanafahana azy. Miady mafy amin'ny finoana i Jaona. “Fanomezan-tsiny amim-pitiavana nataon'ny Mpamonjy tamin'i Jaona ny teniny hoe: ‘Sambatra izay tsy ho tafitohina noho ny Amiko’. Tsy very maina fa nisy vokany izany. Nazava taminy kokoa izao, ny toetry ny asa manirahana an'i Kristy ka nampilefitra ny tenany tamin'Andriamanitra izy na ho amin'ny fiainana na ho amin'ny fahafatesana, araka izay hahasoa indrindra ny tombontsoan'ity asa tiany ity.” E.G.W. (The Desire of Ages, tk. 22, pj. 218)

4 ZANAK'ANDRIAMANITRA “Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.’” (Lioka 1:35) Ny fitenenana hoe “Zanak'Andriamanitra” (amin'ny endriny tokana) dia hita in-46 ao amin'ny Baiboly. Izy rehetra afa-tsy iray ihany no tsy manondro an'i Jesosy. Akoatran'i Jesosy dia Adama ihany no nantsoina hoe “zanak'Andriamanitra”. Lazain'i Lioka fa zanak'Andriamanitra izy satria tsy nateram-behivavy (Lioka 3:38). Rehefa ampiasana hanondro olombelona io fitenenana io, dia mampiasa endrika maro ny Baiboly: “ireo zanak'Andriamanitra.” Io anarana io dia mitovy amin'ny hoe Kristy, Mesia, Mpanavotra, Mpanjakan'i Israely … (Jaona 1:49; 11:27). Jesosy no Zanak'Andriamanitra; Andriamanitra Izy. Andriamanitra “ambonin'izy rehetra.” (Romana 9:5 ).

5 “Kristy, Ilay Teny, izany hoe Ilay Zanakalahy Tokan'Andriamanitra, dia iray ihany tamin'Ilay Ray Mandrakizay, na teo amin'ny toetra izany, na teo amin'ny fomba amam-panao, na teo amin'ny filàn-kevitr'Andriamanitra sy niray saina taminy.” E.G.W. (Patriarchs and Prophets, tk. 1, pj. 34)

6 Araka an'i Lioka, inona no hevitry ny maha “Zanak'Olona” an'i Jesosy?
“Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota!” (Lioka 7:34) Araka an'i Lioka, inona no hevitry ny maha “Zanak'Olona” an'i Jesosy? Izy dia lehilahy niaina tamim-panetre-tena, tsy mba nanana izay hampandriany ny lohany (Lioka 7:34; 9:58). Izy ihany no olombelona manana ny fahefan'Andriamanitra. Izy no Tompon'ny Sabata ary afaka mamela heloka(Lioka 6:5; 5:24). Tonga mba hanavotra antsika amin'ny fahotana Izy. Tonga hitady sy hamonjy ny very (Lioka 9:56;19:10). Fantany tsara fa ny saran'ny Fanavotana dia fijaliana sy fahafatesana eo amin'ny hazo fijaliana ho Azy. Amin'izay dia Izy no Mpanelanelana ho antsika eo anatrehan'ny Ray (Lioka 18:31-32; 22:22; 12:9). Ho avy indray eto an-tany Izy hanome valisoa ny olona masina ary hamarana ilay fifanandrinana lehibe (Lioka 9:26; 12:4; 17:24-30; 21:36; 22:69).

7 NY KRISTIN'ANDRIAMANITRA
“Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: ‘Ny Kristin'Andriamanitra.’” (Lioka 9:20) Tsy maninona izay iheveran'ny hafa momba an'i Jesosy. Ny zava-dehibe indrindra dia izay iheverako Azy. Iza ho ahy i Jesosy? Raha manaiky Azy ho Kristy, Ilay Voahosotra, Ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay Zanak'Olona, Mpanavotra ahy aho, dia fanekena tanteraka no hanaraka an'izany. Hanolo-tena tanteraka ho an'ny Mpamonjiko aho. Ho avy tsy ho ela ny Mpanjakan'ny mpanjaka. Maniry mafy ny hanome ny fanjakany ho an'ireo izay nanaiky Azy ho Kristy sy Tompon'ny fiainany Izy.

8 NY TOKIN'NY KRISTIANA “Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako". Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.” (2 Petera 1:17-18) Araka ny Lioka 9:28, dia niakatra tany an- tendrombohitra hivavaka Jesosy. Nitondra an'i Petera sy i Jakoba ary i Jaona Izy. Avy eo dia tonga i Mosesy sy i Elia niresaka taminy momba ny diany farany ho any Jerosalema. Tamin'izay fotoana izay, nanantitrantitra ny iraka sy ny maha-izy azy an'i Jesosy ny feon'ny Ray. Tonga ny haizina avy eo, saingy ny fahazavana avy amin'ny hafatra nomen'Andriamanitra dia nitoetra tao an- tsain'izy ireo. Nanoratra momba an'io fanandramana io i Petera taona maro taty aorina. Fantany Ilay ninoany. Tsy angano, tsy arira. Ny masony mihintsy no nahita ary iriany ny hinoantsika koa (2 Petera 1:16-18).

9 E.G.W. (Christ’s Object Lessons, tk. 24, pj. 312)
“Tsy ampy ho antsika no mino fa tsy mpamitaka Jesosy, ary tsy arirarira foana feno hafetsena ny fivavahan'ny Baiboly. Mety hino isika fa ny anaran'i Jesosy no hany anarana nomena ny ambany lanitra ahazoan'ny olona famonjena, nefa tsy mandray Azy ho Mpamonjy ny tenantsika, amin'ny alalan'ny finoana. Tsy ampy ny manao fanekem-pinoana an'i Jesosy Kristy ka hanana ny anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiangonana. “Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.” “Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.” 1 Jaona 3:24; 1 Jaona 2:3. Izany no tena fanehoana marina ny fibebahana. Na inona na inona filazantsika; dia tsy misy antony izany raha tsy asehontsika amin'ny asan'ny fahamarinana Kristy.” E.G.W. (Christ’s Object Lessons, tk. 24, pj. 312)


Download ppt "IZA MOA I JESOSY KRISTY? Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015."

Similar presentations


Ads by Google